Teny ho an'ny firenena
Toa anatin'izao krizy izao talohan'ny andro 1 alohan'ny nisian'ny directoir militaire dia nivavaka aho ary nanontany izao hevitr'Andriamanitra momba izao korontana izao. Tao anatin'izany no nangatahako teny mikasika an'i RAVALOMANANA Marc izay manao hoe:
Marka 7:6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
Rehefa nanontany momba an'i RAJOELINA Andry aho dia izao indray no azoko
Ezekela 5
7-Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9 Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.

Commentaires