FANTATRAO VE ISAKY NY 77 SEGONDRA DIA MISY OLONA IRAY LASA ANY AMIN'NY AFOBE. IZANY NO NANOSIKA ANAY HITORY NY FILAZANTSARA.

« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] » (Jaona 1:12).
Mila mandray an'i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy izay vao tonga zanak'Andriamanitra raha io teny io.
Raha resy lahatra ianao ka te ho tonga zanak'Andriamanitra dia indro misy vavaka fohy izay hataonao amin'ny finoana.
JESOA KRISTY ô, miaky aho fa mpanota tsy mendrika akory anao, mangataka ny rà izay nalatsakao tany kalvary aho handio ahy,tsy hamerina ny fahotako intsony aho indro vohaiko ny foko ka midira ianao ao am-poko, ekeko Ianao ho TompoKO sy mpamonjy ny tenako manokana. AMENA.
Manomboka eto ianao izany dia lasa zanak'Andriamanitra dia faly miarahaba anao izahay. Raha manana olana ianao dia azonao antsoina ireto phone ireto.

ETO ILANIVATO ANOSIPATRANA no misy anay . Toerana izay anisan'ny mangotraka eo amin'ny lafiny fiaraha-monina .
Faly miarahaba antsika rehetra e.Betsaka ireo vaovao izay mbola ho resahina ato anatin'ity blog ity.Mbola ho maro ihany koa ireo sary izay atao ato koa tsidiho matetika ity ry namana sy tapaka isany mba afahantsika mifandray tsy tapaka . OK
Maro be ireo zavatra tiana ho resahana eto indrindra ny momba izany filazantsara izany. raha te hijery ny fomba namonoana an'i Jesoa Kristy dia tsindrio eto.
Maro be ireo asa izay miandry ny Kristiana ankehitriny ka izany no tsy maintsy hanaovana itony blogg itony. Efa lasa antomotra ny andro farany ary efa miharatsy ny fomba fiainan'ny olombelona.
Ireto avy ny toro-hevitra homeko anao raha te handroso amin'ny fanompoana an' i Kristy ianao tanora io:
1°] Mibebaka: ialao ny fijangajanga izay mamatotra ny ankabeazan'ny tanora kristiana, io fijangangajanga io ny tena anisan'ny manimba ny asan'Andriamanitra eo amin'ny sehatra Kristiana.Maro ireo izay milaza ho Kristiana nefa mijangajanga. Ny atao hoe fijangajangana dia ny fanaovana firaisana aloaha'ny fanambadiana, azo atao hoe mijangajanga ny olona 2 na dia mifankatia aza nefa mbola tsy vita mariage, eny fa na dia efa vita ireo karazana fombafomba (fisehoana, soratra) fa izay vita mariage eo amin'ny alitara ihany no tsy mijangajanga rehefa manao firaisana.
Ny Kristiana dia olona manao fitafiana tsy manandratra ny nofo: ohatra ny ankanjo eny ampoto-pe, na mampiseho foatra, na manarabatana.....
Ny lehilahy tokony tsy ho lava volo na manao kavin'ila fa manafa-boninahitra azy izany sns... maro tsy voatanisa. ao koa ohatra ny fisotroana zava-pisotro misy alkôla dia tsy mba fiainan'ny kristiana mihitsy fa avy amin'io no miteraka ny filana maro samy hafa na ho an'ny lehilahy izany na ny vehivavy.
2°] Manamasin-tena:Manokana ny tena ho an'Andriamanitra ka mifady ireo ratsy rehetra ka anisan'izany ireo voalaza etsy ambony ireo. Fa anisan'izany fanamasinan-tena koa ny tsy fijerena ireo film na boky na site web mamoafady ireny fa manjary manetsika filana ireny, tsy fampiasana tena mifono hevi-dratsy....
3°] Mazoto mamaky baiboly sy mivavaka ary mianatra soratra masina: Misy tenin'Andriamanitra izay manao hoe : "Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny tena rehetra izay aloakan'ny vavan'Andriamanitra", mandainga izany isika raha miteny hoe Kristiana nefa tsy mamaky baiboly.
4°] Finoana : Ny Kristiana dia olona mandeha amin'ny finoana fa tsy ny fahitana. Tsy maintsy olon efa nandray an'i Jesoa ho ao anatiny sady efa nanaiky azy ho Tompo sy Mpamonjy. Rehefa mandray an'i Jesoa dia efa manana ny herin'Andriamanitra dia tsy inona izany fa ny Fanahy Masina.
5°] Mampiasa ny fahefana izay efa nomen'Andriamanitra: Tadidio fa izay nandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia efa manana fahefana. Izany fahefana izany dia : Mandroaka demoina, manasitra ny marary.....
Efa nomen'i Kristy antsika ireny fahefana ireny ary mila ampiasaina, mila izany tsika mandroaka demonia amin'ny olona izay misy an'izany na amin'ireny toerana lazaina fa misy lolo ireny. Tsy misy izany lolo izany ny toerana iray fa fandrik'i satana sy ny demonia fotsiny ireny hahatonga ny olona hanao sorona na hatahotra fotsiny tsotra izao ary mba ho eo ambany fahony mandrakariva. Ireny fahefana izay nomen'i Jesoa reny rehefa ampiasaina dia ampiarahina amin'ny teny hoe : "Amin'ny anaran'ny Jesoa Kristy"
Ohatra : Miala amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ny devoly eto amin'ity toerana ity; Amin'ny anaran'i Jesoa Kristy miala ny asan'ny satana sy ny firongony ato amin'ity trano ity.
Mantena anao ary aho ry Kristiana namana ampiasao ny fahefana izay efa nomena anao mba handravana ny fanjakan'ny devoly sy satana ka hanorenana indray ny fanjakan'Andriamanitra dia Jesoa Kristy izany.
Raha te handalina be be kokoa momba ny fijangajanga ianao dia eto tsindriana
Ireto misy teny fanorenana vitsivitsy mba hahafantarantsika mpino hoe inona ny fahefantsika:
6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, hianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy, jereo fa teo no nametrahany Azy.
15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.
16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy dia, nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra.
20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena.)
Marka 16:17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
Ity ao amin'ny filazantsara araka an'i Matio 28 ity no manambara ny fandresena izay an'i Jesoa Kristy ary nanomboka teto no resy i satana, belzeboba ary i losifera
1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala;
4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo Aho.
8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.
9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tan�na ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;
14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Ireny natao manga ireny ny teny entina miady @ devoly ary handehanana mitory filazantsara.
Androany faha 16 Décembre 2008 :
Nahazo document momba réscapé de l'enfer aho ary azo téléchargé eto izany. Tantara tena marina, mitantara ny momba fiainana any @ afobe any; tsindrio eto : eto no misy ny lien : http://www.gedeonchampion.com/My_Homepage_Files/Page0.html