Hasiana ireo hevitr'Andriamanitra momba ny firenena malagasy
Ireto ny zavatra hitranga eto amin'ny firenena :
1°) Rā latsaka
2°) Areti-mandringana
3°) Mosary. Ireo rehetra ireo dia fahatezeran'i Jehovah t@ firenena malagasy .
Ireo ny famintinana ny ezekela 5 : 1-17
Ary ianao, ry zanak'olona, dia makā sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makā mizana, ka zarao ny volo.
2 Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanāna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4 Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany ireny izy.
6 Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9 Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10 Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;
11 eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
13 Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14 Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.
15 Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipėka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.
17 Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drā, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany.
02/09/09
Nahazo teny momba ny firenena indray aho tao amin'ny Jeremia 38:1-28
1 Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:
2 Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanāna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
3 Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanāna ity dia hatolotra eo an-tānan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.
4 Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra hianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tānana ny miaramila sisa amin'ity tanāna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tānanareo izy; fa ny mpanjaka dia tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
6 Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtriny), --
8 dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanāna.
10 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Mitondrā telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy voro-damba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
12 Dia hoy Ebeda-meleka tamin'i Jeremia: Ataovy ao ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy voro-damba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
13 ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka; ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka haka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
15 Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha hambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza hianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tānan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
17 Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa hianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanāna ity, fa ho velona hianao sy ny mpianakavinao;
18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa hianao, dia hatolotra eo an-tānan'ny Kaldeana ity tanāna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tānany hianao.
19 Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tānany aho ka hataony fihomehezana.
20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra hianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa hianao, ka ho velona ny ainao.
21 Fa raha tsy mety mivoaka kosa hianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
22 Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao Sady naharesy anao Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, Dia nilaozany nihemotra hianao.
23 Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tānany, fa ho azon'ny tānan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho hianao no handoroana ity tanāna ity amin'ny afo.
24 Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty hianao.
25 Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
26 dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
27 Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
28 Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.

Hisy izany miaramila hitsangana hanao fahirano ity firenena malagasy ity. Izay miaraka amin'ireo miaramila ireo dia tsy haninona, fa izay manohitra ireo kosa dia ho fatin-tsabatra sy mosary, niverina indray ny resaka rā latsaka araka ny teny azoko tamin'ny volana marsa 2009 soratako ity dia tantaraiko eto izay tohiny.AMEN
Toa anatin'izao krizy izao talohan'ny andro 1 alohan'ny nisian'ny directoir militaire dia nivavaka aho ary nanontany izao hevitr'Andriamanitra momba izao korontana izao. Tao anatin'izany no nangatahako teny mikasika an'i RAVALOMANANA Marc izay manao hoe:
Marka 7:6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
Rehefa nanontany momba an'i RAJOELINA Andry aho dia izao indray no azoko
Ezekela 5
7-Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,