Articles

Catégorie Anaran'ireo olom-boavonjy: Hita ato daholo ny anaran'ireo olona nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

Anaran'ireo olona izay nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

Tamin'ny talata 4 Mars 2008  teo dia nisy olona nanaiky an'i Jesoa ho tompo sy Mpamonjy. Marihiko fa eny amin'ny manodidina an'Anosipatrana , Ampangabe ary Ilanivato aloha izahay izao no manitatra ny fanjakan'Andriamanitra

1°] Elie

2°] Kely

3°] Andréa

Tamin'ny alatsinain'ny Paska 2008 teo no nandraisan'i Nanou an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

4°] Nanou

Ireto ireto avy ny miaramila nandeha nanafika tamin'ny faha 30 Mars 2008 teo Tovo, Dominique, Rado, Naina, Mahefa, Ando vavy, Rosa, Parfait, Tatianah, ireto ambany ireto kosa ny anaran'ny olona nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

5°] Lalaina

6°] Virginie

7°] Dadan'i Virginie

 

06/03/2008 nitsidika an'i Ando vavy

Teny nentina:Marka 6:7-13

7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.

8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola, ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.

9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala hianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.

13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

Ireto avy ny olona nandray an'i Jesoa

8°]Dada sy Maman'i Ando,

10°]Lova

11°]Anita

12°]Cyndie

Tamin'ny alarobia faha 14 Mai dia nanao tafika masina ny fiangonana tany Anosipatrana. Indro ny anaran'ny olona nampadraisin'i Tovo an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy

13°]Rakotovao

Ny zoma faha 16 Mai 2008 kosa indray dia teny Ilanivato no nanao tafika masina ny fiangonana. Ny anaran'ny olona nandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia :

14°]Rafrah

Nandeha tany Ankazo (Mahitsy) izahay STK ILANIVATO tamin'ny faha 07 sy 08 Jiona 2008. Marobe ireo olona nanaiky an'i Jesoa ho Tompo nandritra ny alim-bavaka. Tao amin'ny asan'ny Apôstôly ny teny nomen'ny Tompo tamin'io hariva io, dia ny hoe hitory ny teny amin'ny fahasahiana Mbola omena amin'ny manaraka ihany ny isan'ireo olona voavony tany

 

Omaly faha 17 Juin 2008 dia nitsidika an'i Bebean'i Rojo izahay : Ireto avy ny anaran'ny miaramila nandeha tany: Tovo, Dominique, Tolotra.Ny  olona nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy kosa dia:

15°]Rafozan'i Bebean'i Rojo

faha 10 Août 2008 NANDEHA TANY ISOTRY

 Nandeha nanantanteraka asa tany amin'ny faritr i Isotry sy ILANIVATO izahay. Ireto avy ny anaran'i ireo miaramila nandeha:Tovo, Dominique, Ando vavy, Tahina, Mahefa, Tovon'i Miora, Tolotra, Hery.

Ny teny nentina tany Isotry dia GEN 22

Nitombo 3 indray ireo olona nanaiky an' i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

16°] Dadatoan'i Tovo

17°] Lova

18°] LOBO

Nampirisihina izy ireo hanangana alitara ao an-tranony (izany hoe : fitoam-pivavahana isan-kariva).

Voninahitra ho an'ny Tompo irery ihany!AMEN DIA AMEN

 

ALAHADY 12 OCTOBRE 2008

Nandeha nanatanteraka asa fitoriana teny Ampefiloha Ambodirano i Tovo; Tolotra ary i Xavier tamin'io alahady io. Nanao fahagagana ny Tompo Kristy Jesoa fa nanasitrana an i Eric. Narary an-doha be izy tamin'izay ary nentin i' Tovo am-bavaka , nisy fihatsarana ilay aretina fa tsy mbola tena sitrana. Avy eo nasaiko (Tovo) nivavaka izy dia tsemboka be, nangovitra ary sitrana avy eo . Ny teny nentina tamin'izay dia tao amin'ny II Mpanjaka 19 izay manao hoe : Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,

2 ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,

3 ary hoy ireo taminy : Izao no lazain'i Hezekia : Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.

4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny teny rehetra nataon-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teniny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.

5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.

6 Ary hoy Isaia taminy : Ambarao amin'ny tomponareo hoe : Izao no lazain'i Jehovah : Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.

7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.

8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay, satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.

9 Ary nony ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe : Indro, avy hiady aminao izy, dia naniraka olona indray ho any amin'i Hezekia izy nanao hoe :

10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda : Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao hianao hoe : Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.

11 Indro, hianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany[heb. nanaovany herema.] azy; ka hianao kosa va no ho voavonjy ?

12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena, izay tao Telasara ?

13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada ary ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?

14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tànan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.

15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan'i Jehovah nanao hoe : Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin'i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an'Andriamanitra velona.

17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny

18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.

19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.

20 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.

21 Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba : Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina : Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.

22 Fa iza no nohaikainao sy nompanao ? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao, Sy nampiandrandranao ny masonao any ambony ? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.

23 Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe : Tamin'ny kalesiko maro no niakarako Tany an-tampon'ny tendrombohitra, Tao afovoan'i Libanona, Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; Dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho Sy any amin'ny alany midokadoka.

24 Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho,[Na: ranon'ny firenena hafa.] Ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahindrano rehetra any Egypta.[Heb. Mazora.]

25 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, Ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany ? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, Ka dia nandrava tanàna mimànda ho tonga korontam-bato hianao.

26 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, Sady raiki-tahotra no mangaihay izy; Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso Sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.

27 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao Ary ny fahatezeranao amiko.

28 Satria efa tezitra amiko hianao, Ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, Dia hasiako ny masom-biko ny oronao, Ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, Ary hampivereniko amin'ny làlana izay nihavianao hianao.

29 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa : Hihinana ny maniry ho azy avy tamin'ny voa mihintsana hianareo iray taona, ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza hianareo, ka mijinjà, ary manaova tanimboaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.

30 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.

31 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.

32 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria : Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsiṕka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.

33 Ny làlana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.

34 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.

35 Ary tamin'ny alin'io dia avy ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Ireo miloko mena ireo no nohazavaina ary dia notanterahin'i Jesoa Kristy. Nampirisihina hanangana alitara koa izy ireo.

Voninahitra ho an i Jesoa Kristy irery ihany.

Ny nandray an i Jesoa tamin'io ho Tompo sy Mpamonjy dia:

19°] Eric

30/08/09

20°] Maman'i Henintsoa nanaiky an'i Jesoa kristy ho tompo sy mpamonjy.(tsara marihina fa témoin de jehovah izy)

01/09/09

Nanaiky an'i Jesoa kristy ho tompo sy mpamonjy ihany koa i Ando cousine Henitsoa (marihana ihany koa fa témoin de Jehovah izy).

Tovo sy dominique no miaramila nanatanteraka ny mission, sady nitondra fampianarana momba ny maha Andriamanitra an'i Jesoa Kristy, ary nitondra fampianarana momba ny afobe ihany koa. Voninahitra ho an'i Jesoa Kristy irery ihany.

17/10/09

Nande tany @ hasina aho sy holy ary toavina, nampandrasina an'i Jesoa Kristy i Tiana. Jaona 1 :1-7 no teny nentiko. Efa tsy nisy nanindry intsony izy fa lasa mahita sary mampitahotra indray, Nandalo tany izahay sy tolotra sy holy androany 18/10/09 , ary rahampitso 19/10/09 dia hanao suivi any.



Posté le 06/03/2008 | 49 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Rechercher dans les articles

Vous recherchez ? :